6 Dia niakatra nankany Bala,+ na Kiriata-jearima any Joda, i Davida sy ny Israely rehetra mba haka ny Vata masin’i Jehovah Andriamanitra, izay mipetraka eo amin’ny kerobima,+ dia eo amin’izay iantsoana ny anarany.
16Ary nampidirina+ ny Vata masin’Andriamanitra, ka napetraka tao amin’ny tranolay natsangan’i Davida ho azy io.+ Ary nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan’Andriamanitra+ ny olona.
4 Ny Vata+ masin’Andriamanitra kosa efa nentin’i Davida niakatra avy tany Kiriata-jearima,+ ho any amin’ilay toerana nomaniny ho azy io,+ satria efa nanangana tranolay ho an’ilay Vata izy, tao Jerosalema.+