FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 1:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Dia niakatra nanaraka azy ny olona rehetra sady nitsoka sodina+ ary ravoravo fatratra,+ hany ka nitresaka ny tany+ noho ny kotaban’izy ireo.

  • 2 Mpanjaka 11:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia hitan’i Atalia ny mpanjaka nitsangana teo akaikin’ny andry,+ araka ny fomba fanao. Teo akaikin’ny mpanjaka koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra.+ Hitany koa ny vahoaka manontolo nifaly+ sy nitsoka trompetra. Dia norovitin’i Atalia+ avy hatrany ny akanjony, sady niantso mafy izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!”+

  • 1 Tantara 12:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Ary izay teny akaikin’izy ireo sy izay hatrany amin’ny fokon’i Isakara+ sy Zebolona+ ary Naftaly,+ dia nitondra sakafo be dia be teo ambony ampondra+ sy rameva sy ramole ary omby, ka izao avy izany: Sakafo vita tamin’ny lafarinina,+ mofo vita tamin’ny aviavy noporetina,+ mofo vita tamin’ny voaloboka maina,+ divay+ ary menaka.+ Nitondra omby+ aman’ondry+ be dia be koa izy ireo. Faly dia faly+ mantsy ny Israely.

  • Apokalypsy 19:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary izaho nahare feo tahaka ny feon’ny vahoaka be sy tahaka ny feon’ny rano be ary tahaka ny feon’ny kotroka mafy, nanao hoe: “Miderà an’i Jah,+ satria efa nanomboka nanjaka+ i Jehovah Andriamanitsika, ilay Mahery Indrindra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara