FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 15:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Tena manenina aho+ noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, satria tsy nanaraka+ ahy intsony izy, sady tsy nanatanteraka ny teniko.”+ Ary nampahory an’i Samoela izany,+ ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah izy ny alina manontolo.+

  • 1 Samoela 15:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Koa hoy i Samoela: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah+ kokoa noho ny mankatò ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò+ no tsara kokoa noho ny sorona,+ ary ny mihaino no tsara kokoa noho ny tavin’ondrilahy.+

  • 1 Samoela 15:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa ny mikomy+ dia mitovy amin’ny manao sikidy,+ izay fahotana, ary ny minia miana-kendry dia mitovy amin’ny mampiasa herin’ny maizina sy terafima.*+ Nanda ny tenin’i Jehovah+ ianao, ka laviny tsy ho mpanjaka.”+

  • Salamo 37:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+

      Ka hiandry azy fatratra.+

      Aza tezitra amin’ny olona mahomby amin’izay ataony,+

      Dia ny olona mahatanteraka ny teti-dratsiny.+

  • Ohabolana 11:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ho afa-baraka izay manambony tena,+ fa izay manetry tena kosa no hendry.+

  • Ohabolana 13:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Miteraka ady fotsiny ny fiheveran-tena ho ambony,+ fa hendry kosa izay mila hevitra amin’ny hafa.+

  • Ohabolana 21:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Olona sahisahy ratsy sy mpirehareha mizahozaho no iantsoana an’izay sahisahy manao zavatra+ rehefa tezitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara