1 Samoela 13:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Rehefa hitan’ny Israelita fa notandindomin-doza+ izy ireo satria voaterin’ny fahavalo, dia lasa niafina tany an-dava-bato+ sy tany an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, ary koa tany anaty vatolampy sy zohy ary lavaka fanangonan-drano. 1 Samoela 14:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Dia niseho izy roa lahy mba ho hitan’ireo tao amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina. Koa hoy ny Filistinina: “Ireny ny Hebreo fa nivoaka avy tany amin’ny lavaka niafenany.”+
6 Rehefa hitan’ny Israelita fa notandindomin-doza+ izy ireo satria voaterin’ny fahavalo, dia lasa niafina tany an-dava-bato+ sy tany an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, ary koa tany anaty vatolampy sy zohy ary lavaka fanangonan-drano.
11 Dia niseho izy roa lahy mba ho hitan’ireo tao amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina. Koa hoy ny Filistinina: “Ireny ny Hebreo fa nivoaka avy tany amin’ny lavaka niafenany.”+