FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 33:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Sambatra ianao, ry Israely ô!+

      Iza moa no tahaka anao,+

      Izay vahoaka mahazo famonjena avy amin’i Jehovah+

      Ilay ampingan’ny famonjena anao,+

      Sy Ilay sabatrao malaza?+

      Koa hitakemotra eo anoloanao ny fahavalonao,+

      Fa ianao kosa hanitsaka ny toerana avony.”+

  • Mpitsara 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Rehefa nanendry mpitsara ho azy ireo i Jehovah,+ dia nomba an’izany mpitsara izany i Jehovah ka namonjy azy ireo teo an-tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Nanenina mantsy i Jehovah,+ satria nitaraina izy ireo noho ny nataon’ireo nampahory azy+ sy ireo nanositosika azy tetsy sy teroa.

  • 2 Mpanjaka 19:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Fa hiaro+ an’ity tanàna ity aho, ka hamonjy azy noho ny amiko+ sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”’”+

  • Salamo 17:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ataovy miavaka ny fanehoanao hatsaram-panahy,+ ry Mpamonjy an’izay mitady fialofana

      Mba tsy ho azon’ny mpikomy, dia ireo mikomy amin’ny tananao ankavanana.+

  • Salamo 44:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Fa ianao no namonjy anay tamin’ny fahavalonay,+

      Sy nampahamenatra an’ireo mankahala mafy anay.+

  • Isaia 63:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia hoy izy: “Oloko tokoa ireo,+ sady zanaka tsy hivadika.”+ Koa nanjary Mpamonjy an’ireo izy.+

  • Hosea 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ny taranak’i Joda kosa no hamindrako fo,+ ary ny herin’i Jehovah Andriamaniny no hamonjeko azy.+ Tsy amin’ny tsipìka na sabatra na ady, na soavaly na mpitaingin-tsoavaly anefa no hamonjeko azy.”+

  • 1 Timoty 4:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa ho amin’izany tanjona izany no iasantsika mafy sy ikelezantsika aina,+ satria isika manantena+ an’Andriamanitra velona, Mpamonjy+ ny karazan’olona rehetra,+ indrindra fa ireo tsy mivadika.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara