FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 18:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Sanatria anao ny hanao toy izany!+ Eny, sanatria anao ny hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy! Raha izany mantsy, dia ho toy izay manjo ny ratsy fanahy ihany no manjo ny marina.+ Tsy hanao ny rariny anefa ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”+

  • Genesisy 19:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia hoy izy roa lahy tamin’i Lota: “Mbola misy havanao ve eto? Ento miala eto izay vinantolahinao sy zanakao lahy sy zanakao vavy ary izay rehetra anao eto amin’ity tanàna ity!+

  • Nomery 16:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: “Miangavy anareo aho mba hiala eo anoloan’ny tranolain’ireo olona ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika an’izay rehetra azy,+ sao ho ringana noho ny fahotany ianareo.”

  • 1 Mpanjaka 20:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia hoy ny mpanompony taminy: “Renay fa be hatsaram-panahy feno fitiavana+ ny mpanjakan’ny taranak’Israely. Koa aoka re izahay hisikina+ lamba gony,+ ary hanisy tady eo ambony lohanay, ka hivoaka ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely e, fa angamba hitsimbina anao* izy ka tsy hamono anao.”+

  • Ohabolana 20:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Hatsaram-panahy sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka,+ ary hatsaram-panahy no mampaharitra ny seza fiandrianany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara