FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 35:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Koa niainga izy ireo ka niala tao Betela. Ary raha mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efrata,+ dia efa akaiky hiteraka i Rahely, nefa saro-piterahana izy.+

  • Genesisy 35:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia maty i Rahely ka nalevina teny amin’ny lalana mankany Efrata, izay atao hoe Betlehema.+

  • Rota 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Elimeleka no anaran-dralehilahy, Naomy no anaran’ny vadiny, ary Malona sy Kiliona no anaran’ny zanany roa lahy. Efratita+ avy any Betlehema any Joda ry zareo, ary tonga tany ambanivohitr’i Moaba, ka nitoetra tany.

  • Rota 4:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Obeda niteraka an’i Jese;+ ary Jese niteraka an’i Davida.+

  • 1 Samoela 16:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly,+ nefa izaho efa nanda azy tsy ho mpanjakan’ny Israely?+ Fenoy menaka+ ilay tandroka any aminao, ka mandehana. Hirahiko ho any amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.”+

  • 1 Samoela 17:58
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 58 Dia hoy i Saoly taminy: “Zanak’iza moa ianao, anaka?” Ary hoy i Davida: “Zanak’i Jese+ Betlehemita+ mpanomponao.”

  • Mika 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Ary ianao, ry Betlehema Efrata,+ izay kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda+ akory, avy ao aminao+ no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.+ Efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.+

  • Matio 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 ‘Ary ianao, ry Betlehema+ ao amin’ny tanin’i Joda, tsy ianao velively no tanàna kely indrindra eo imason’ireo governoran’i Joda, satria avy aminao no hivoahan’ny mpitondra+ iray hiandry+ ny Israely oloko.’”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara