FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 17:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Fa hoy izy: “Misy tanana manohitra ny seza fiandrianan’i+ Jah,+ ka hiady amin’ny Amalekita hatramin’ny taranany fara mandimby i Jehovah.”+

  • Nomery 24:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Rehefa nahita an’i Amaleka izy, dia mbola nanao oha-teny ihany hoe:+

      “I Amaleka no voalohany tamin’ireo firenena,+

      Nefa ho ringana no hiafarany.”+

  • Deoteronomia 25:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Koa tokony hofafanao tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana ny Amalekita,+ rehefa ataon’i Jehovah Andriamanitrao mandry feizay eo anivon’ny fahavalonao rehetra manodidina ianao, ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,+ mba halainao ho fanananao. Aza hadinoinao izany.

  • 1 Samoela 15:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia hoy i Saoly tamin’i Samoela: “Nankatò ny tenin’i Jehovah ange aho e!+ Nataoko izay nanirahan’i Jehovah ahy, ary nentiko i Agaga+ mpanjakan’i Amaleka, fa i Amaleka kosa naringako tanteraka.+

  • 1 Samoela 30:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Rehefa tonga tany Ziklaga+ i Davida sy ny olony tamin’ny andro fahatelo, dia hitany fa notafihin’ny Amalekita+ ny faritra atsimo sy Ziklaga. Nasian’izy ireo i Ziklaga ka nodorany,

  • 1 Samoela 30:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Dia avotr’i Davida daholo izay nalain’ny Amalekita,+ ary nafahany koa ny vadiny roa.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara