FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary nanao sorona+ i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby nohatavezina, teo akaikin’ny vaton’i Zoheleta, teo anilan’i En-rogela.+ Koa nasainy daholo ny rahalahiny zanaky ny mpanjaka,+ sy ny lehilahy rehetra anisan’ny fokon’i Joda sady mpanompon’ny mpanjaka.

  • 1 Mpanjaka 1:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary nanao sorona izy ka namono omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be. Nasainy daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka,+ sy Abiatara+ mpisorona ary Joaba+ lehiben’ny tafika, fa i Solomona mpanomponao tsy mba nasainy.+

  • 1 Mpanjaka 1:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Nandeha nidina mantsy i Adonia androany mba hanao sorona+ omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be. Ary nasainy daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka sy ny lehiben’ny tafika ary Abiatara mpisorona.+ Koa mihinana sy misotro eo anatrehan’i Adonia ao ry zareo, ary izao foana no teniny: ‘Ho ela velona anie i Adonia Mpanjaka!’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara