FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “Aza manozona an’Andriamanitra+ na ny mpiadidy eo amin’ny firenenao.+

  • 1 Samoela 17:43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Koa hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: “Izaho angaha alika+ no hatonin’ialahy amin’ny tehina?” Dia niantso ny anaran’ireo andriamaniny izy mba hanozonana an’i Davida.+

  • Ohabolana 1:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “Mandra-pahoviana ianareo tanora fanahy no mbola te hijanona ho tanora fanahy?+ Ary mandra-pahoviana ianareo mpaneso no mbola ho tia manesoeso?+ Ary mandra-pahoviana ianareo tsisy saina no mbola hankahala fahalalana?+

  • Ohabolana 26:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina, dia toy izany koa fa tsy tongatonga ho azy ny ozona.+

  • Mpitoriteny 10:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Aza manozona ny mpanjaka na dia ao amin’ny efitranonao aza,+ ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao amin’ny efitrano anatiny atorianao aza.+ Fa na ny voro-manidina eny amin’ny lanitra aza hitondra ny feo, ary izay manana elatra hanambara izany.+

  • Asan’ny Apostoly 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary hoy i Paoly: “Tsy fantatro hoe mpisoronabe izy, ry rahalahy, fa voasoratra aloha hoe: ‘Aza vingavingaina ny mpitondra eo amin’ny firenenao.’”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara