-
Mpitsara 10:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely,+ ka nanompo an’ireo Bala,+ sy ireo sarin’i Astarta,+ sy ireo andriamanitr’i Syria,+ sy ireo andriamanitr’i Sidona,+ sy ireo andriamanitr’i Moaba,+ sy ireo andriamanitry ny taranak’i Amona,+ ary ireo andriamanitry ny Filistinina.+ Koa nahafoy an’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy.+
-
-
2 Mpanjaka 10:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Koa antsoy ho eto amiko daholo ny mpaminanin’i+ Bala sy ny mpivavaka aminy+ ary ny mpisorony+ rehetra. Aza avela hisy tsy ho tonga na iray aza, fa hanao sorona lehibe ho an’i Bala aho. Hovonoina ho faty izay tsy tonga.” Hafetsena anefa no nanaovan’i Jeho izany,+ satria te handringana ny mpivavaka tamin’i Bala izy.
-