22 Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy ilana azy+ tompoin’ireo firenena? Mahay mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?+ Tsy Ianao ve no mahavita izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+ Koa ianao no antenainay, satria ianao no nanao izany rehetra izany.+
25 Lazaiko marina aminareo, ohatra, fa maro ny vehivavy mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, fony nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana, ka nisy mosary mafy tao amin’ilay tany.+
17 Olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany+ i Elia. Nivavaka mafy anefa izy mba tsy hilatsahan’ny orana,+ dia tsy nilatsaka telo taona sy enim-bolana teo amin’ilay tany ny orana.