52 Roahy tsy ho eo anatrehanareo ny mponina rehetra ao amin’ilay tany, ary poteho ny sarivongana rehetra nataon’izy ireo tamin’ny vato.+ Poteho+ koa ny sarivongany metaly+ rehetra, sy ny toerana avo masina rehetra eo amin’izy ireo.
14 Fa eo amin’ny toerana hofidin’i Jehovah any amin’ny iray amin’ny foko eo aminao, no hanoloranao ny fanatitra dorana, ary eo no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.+
12 Tsy i Hezekia ihany ve no nanaisotra ireo toerana avony+ sy alitarany,+ ka niteny tamin’ny Joda sy Jerosalema hoe: “Eo anoloan’ny alitara+ iray ihany ianareo no tokony hiankohoka,+ ary eo ihany no tokony hanolotra setroka ho sorona”?+