4 Aoka hoforana ianareo mba hadio eo anatrehan’i Jehovah, eny, forao ny fonareo,+ ry olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema, sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako ka hiredareda nefa tsy hisy hamono. Ratsy mantsy ny nataonareo.”+
20 Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hanampatra ny fahatezerako sy ny fahavinirako amin’ity toerana ity aho,+ sy amin’ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo eny an-tsaha+ ary ny vokatry ny tany. Hirehitra tokoa ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’+