Genesisy 14:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Dia ren’i Abrama fa lasa babo ny rahalahiny.+ Koa nangoniny ireo olony voaofana,+ dia mpanompo valo ambin’ny folo sy telonjato izay teraka tao amin’ny ankohonany.+ Ary lasa nanenjika hatrany Dana+ izy. Mpitsara 18:29 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 29 Ary nantsoin’izy ireo hoe Dana ilay tanàna, araka ny anaran’i Dana+ rainy, izay naterak’i Israely.+ Laisy anefa no anaran’izy io taloha.+ Mpitsara 20:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Dia nivoaka daholo ny zanak’Israely rehetra.+ Ary nivory toy ny olona iray+ teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa+ ny vahoaka, hatrany Dana+ ka hatrany Beri-sheba,+ mbamin’ny tany amin’ny faritr’i Gileada.+
14 Dia ren’i Abrama fa lasa babo ny rahalahiny.+ Koa nangoniny ireo olony voaofana,+ dia mpanompo valo ambin’ny folo sy telonjato izay teraka tao amin’ny ankohonany.+ Ary lasa nanenjika hatrany Dana+ izy.
29 Ary nantsoin’izy ireo hoe Dana ilay tanàna, araka ny anaran’i Dana+ rainy, izay naterak’i Israely.+ Laisy anefa no anaran’izy io taloha.+
20 Dia nivoaka daholo ny zanak’Israely rehetra.+ Ary nivory toy ny olona iray+ teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa+ ny vahoaka, hatrany Dana+ ka hatrany Beri-sheba,+ mbamin’ny tany amin’ny faritr’i Gileada.+