FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga,+

      Na zanak’olombelona ka hanenina.+

      Efa nilaza ve izy ka tsy hanatanteraka,

      Ary efa niteny ka tsy hanefa?+

  • Isaia 45:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Lozan’izay miady amin’ny Mpamolavola azy,+ ka manao toy ny vakim-bilany tanimanga miady amin’ny vakim-bilany hafa eo amin’ny tany! Ny tanimanga+ ve dia hilaza amin’ny mpamolavola azy hoe: “Inona ity ataonao”? Ary ny zava-bitanao ve hilaza hoe: “Tsy manan-tanana izy”?

  • Jeremia 49:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Hisy olona hiakatra hamely an’ilay fonenana maharitra, toy ny liona+ miakatra avy ao anaty kirihitrala matevina eny amoron’i Jordana.+ Hampandosiriko avy hatrany anefa i Edoma ka hiala ao.+ Dia hotendreko hamely azy ilay voafidy. Fa iza moa no toa ahy?+ Iza no ho sahy hila ady amiko,+ ary iza no mpiandry ondry mahatohitra ahy?+

  • Romanina 9:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Fa iza tokoa moa ianao, ralehilahy,+ no hamalivaly an’Andriamanitra?+ Izay novolavolaina ve hilaza amin’ilay namolavola azy hoe: “Nahoana ianao no nanao ahy toy izao?”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara