FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 15:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ary noho ny haben’ny fahambonianao, dia afaka mandavo an’izay mitsangana hanohitra anao ianao.+

      Avoakanao ny fahatezeranao mirehitra ka mandevona an’ireny toy ny fandevona vodivary.+

  • Salamo 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy,

      Fa toy ny akofa entin’ny rivotra.+

  • Salamo 35:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Aoka izy ireo ho tahaka ny akofa entin’ny rivotra.+

      Hampandositra azy anie ny anjelin’i Jehovah!+

  • Isaia 17:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Hitabataba toy ny rano be misasasasa ireo firenena.+ Ary hiteny mafy azy ireo Izy.+ Dia handositra lavitra ireo ka horoahina toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra, sy toy ny tsilo atambolimbolin’ny tafio-drivotra.+

  • Hosea 13:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa ho toy ny zavona maraina+ izy, sy ho toy ny ando levona vao maraina, sy ho toy ny akofa paohin’ny rivotra hiala eny am-pamoloana,+ ary ho toy ny setroka avy amin’ny lavaka eo amin’ny tafo.

  • Matio 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana ka hodioviny tsara ny famoloany, ary ny vary hangoniny ho ao an-trano fitehirizana+ azy, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany+ amin’ny afo tsy mety maty.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara