FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 13:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa hoy ny vadiny: “Raha tian’i Jehovah ho faty isika, dia tsy ho nandray fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha avy tamin’ny tanantsika izy,+ sady tsy ho nampiseho tamintsika an’ireny rehetra ireny, ary tsy ho namela antsika handre zavatra toy izao mihitsy.”+

  • 1 Samoela 25:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nahoana moa ny tompoko no hanao zavatra hahatonga azy henjehin’ny eritreriny, ka handatsa-dra tsy amin’antony+ sy hamaly faty?+ Hanao soa amin’ny tompoko tokoa i Jehovah, ka mba tsarovy+ ny mpanompovavinao.”

  • 2 Samoela 20:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary nisy vehivavy hendry+ iray niantso avy teo amin’ny mandan’ny tanàna, nanao hoe: “Mihainoa, rey olona, mihainoa ahy! Mba ilazao kely i Joaba hanatona etỳ, fa hiresaka aminy aho.”

  • Estera 5:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Raha mahazo sitraka amin’ny mpanjaka aho+ ary tian’ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy tadiaviko, dia aoka ho tonga ao amin’ilay fanasana hataoko rahampitso ny mpanjaka sy Hamana. Amin’izay aho no hilaza ny fangatahako.”+

  • Salamo 68:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,+

      Ary tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.+

  • Ohabolana 31:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Izao no tenin’i Lemoela Mpanjaka, dia ny hafatra mafonja+ nolazain-dreniny taminy mba hanitsiana azy:+

  • Asan’ny Apostoly 18:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Dia nanomboka nitory tamim-pahasahiana tao amin’ny synagoga izy. Rehefa nandre azy i Prisila sy Akoila,+ dia nitondra azy niaraka taminy. Ary nohazavain’izy mivady marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.

  • Titosy 2:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aoka koa ny vehivavy zokiolona+ hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika+ na handevozin’ny divay be, fa ho mpampianatra zavatra tsara kosa,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara