-
Jeremia 31:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia ho avy tokoa izy ireo ka hihoby eny amin’ny havoanan’i Ziona.+ Ary ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah+ sy noho ny varimbazaha sy ny divay+ vaovao sy ny menaka sy ny zanaky ny ondry aman’osy ary ny zanak’omby.+ Ho toy ny tanimboly azon-drano tsara+ izy ireo, ka tsy ho osa intsony.”+
-
-
Jeremia 33:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 ny feon’olona mifaly sy miravoravo,+ ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina, ary ny feon’ireo manao hoe: “Derao i Jehovah Tompon’ny tafika fa tsara i Jehovah,+ fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana!”’+
“‘Hitondra fanati-pisaorana ao an-tranon’i Jehovah izy ireo,+ satria hampodiko avy any amin’ny fahababoana ny mponin’ity tany ity, ka ho toy ny taloha’,+ hoy i Jehovah.”
-