3 Ny omby mahalala tsara ny tompony, ary ny ampondra mahalala tsara ny fihinanam-bilona natokan’ny tompony ho azy. Ny Israely kosa anefa tsy mahalala+ ahy, ary ny oloko tsy misaina.”+
22 Fa adala+ ny oloko. Tsy miraharaha ahy izy.+ Zanaka maditra sy tsisy saina izy.+ Raha hanao ratsy dia hendry izy, fa raha ny hanao ny tsara kosa tsy hainy.+
6 Ho ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana.+ Noho ianao nanda ny fahalalana,+ dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao.+ Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao,+ dia hohadinoiko koa ny zanakao.+