FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 72:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 72 Andriamanitra ô, ampahafantaro ny mpanjaka ny didim-pitsaranao,+

      Ary ampahafantaro ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.+

  • Isaia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany+ ary tsy hisy farany koa ny fiadanana,+ eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io,+ ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampitoetra azy, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.+

  • Isaia 11:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fehikibo eo amin’ny andilany ny fahamarinana,+ ary fehikibo anaovany koa ny tsy fivadihana.+

  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hampipoirako tsimoka marina ho an’i Davida.+ Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho malina izy io ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

  • Zakaria 9:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Aoka ho dibo-kafaliana ianao, ry Ziona zanakavavy ô!+ Manaova horakora-pandresena,+ ry Jerosalema zanakavavy ô! Iny fa tonga atỳ aminao ny mpanjakanao.+ Olo-marina izy, sady voavonjy.+ Manetry tena izy,+ ary mitaingina ampondra, dia zanaky ny ampondravavy.+

  • Hebreo 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna. Izany no nahatonga an’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, hanosotra+ anao menaka fifaliana mihoatra noho ireo namanao.”+

  • Apokalypsy 19:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary nahita ny lanitra nisokatra aho, ary iny nisy soavaly fotsy.+ Antsoina hoe Mendri-pitokisana+ sy Marina+ ilay nitaingina azy, ary nitsara sy niady araka ny fahamarinana+ mandrakariva izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara