FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 60:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Tsy ho re ao amin’ny taninao intsony ny herisetra, ary tsy ho re ao anatin’ny faritry ny taninao ny fandrobana sy ny fandravana.+ Ny mandanao hantsoinao hoe Famonjena,+ ary ny vavahadinao hantsoinao hoe Fiderana.

  • Isaia 65:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko,+ ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.+

  • Jeremia 23:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Amin’ny andro hanjakany, dia hovonjena ny Joda+ ary honina tsy hanana ahiahy ny Israely.+ Ary izao no anarana hiantsoana azy: Jehovah no Fahamarinantsika.”+

  • Ezekiela 34:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ary hataoko tsy misy bibidia masiaka intsony ao amin’ilay tany,+ ka honina tsy amin’ahiahy any an-tany efitra izy ireo, ary hatory any an’ala.+

  • Hosea 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ho azy ireo no hanaovako fifanekena amin’izany andro izany, dia fifanekena amin’ny bibidia+ sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandady amin’ny tany. Hofoanako tsy ho eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+ Ary hataoko mandry feizay izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara