FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 15:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Iza amin’ireo andriamanitra no tahaka anao, Jehovah ô?+

      Iza no tahaka anao izay fara tampony amin’ny fahamasinana,+

      Eny, Ilay tokony hatahorana+ ka hanaovana hira fiderana,+ eny, Ilay manao zava-mahagaga maro?+

  • Salamo 71:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Izaho koa hidera anao amin’ny lokanga,+

      Eny, hidera ny fahamarinanao aho, Andriamanitro ô!+

      Hihira fiderana ho anao amin’ny harpa aho, ry Ilay Masin’ny Israely ô!+

  • Isaia 5:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Toy ny vodivary levon’ny lelafo+ sy ny ahitra maina izay kilan’ny afo, dia toy izany koa fa ho toy ny fofona maimbo lo ny fakan’izy ireo sy ny fotony,+ ary ho toy ny vovoka ny felany. Nanda ny lalàn’i Jehovah Tompon’ny tafika mantsy izy ireo,+ sady tsy niraharaha ny tenin’Ilay Masin’ny Israely.+

  • Isaia 10:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra intsony amin’ilay namely azy+ ny sisa tavela amin’i Israely,+ sy ny sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba. Fa i Jehovah Ilay Masin’ny Israely+ kosa no tena hianteheran’izy ireo.+

  • Jeremia 51:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Tsy maty vady mantsy ny Israely sy Joda+ fa mbola vadin’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.+ Ary tena meloka tanteraka ny tanin’ny Kaldeanina eo anatrehan’Ilay Masin’ny Israely.+

  • Ezekiela 39:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Hampahafantariko eo amin’ny Israely oloko ny anarako masina, ary tsy havelako hozimbazimbaina intsony izany anarako masina izany.+ Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah,+ Ilay Masina eo amin’ny Israely.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara