-
Jeremia 29:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary hataoko izay hahitanareo ahy’,+ hoy i Jehovah, ‘ka hangoniko daholo izay babo eo aminareo ary hovoriko avy any amin’ny firenena rehetra sy ny toerana rehetra nanaparitahako anareo ianareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Dia haveriko any amin’ilay toerana nialanareo ianareo, na dia nalefako sesitany aza.’+
-
-
Jeremia 46:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “‘Fa aza matahotra kosa ianao, ry Jakoba mpanompoko ô, ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+ Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+ Dia hiverina tokoa i Jakoba, ka tsy hisy hanakorontana fa handry feizay, ary tsy hisy hampangovitra azy.+
-