FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Na dia any amin’ny faravodilanitra aza no iparitahan’ny olonao, dia avy any no hanangonan’i Jehovah Andriamanitrao anao, sy hakany anao.+

  • Isaia 49:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Izao anefa no nolazain’i Jehovah: “Halaina tokoa ireo nobaboin’ny lehilahy mahery,+ ary ho afa-mandositra ireo efa lasan’ny mpitondra tsy refesi-mandidy.+ Hifanandrina amin’izay mifanandrina aminao aho,+ ary hovonjeko+ ny zanakao.

  • Jeremia 23:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko eo amin’ny kijana nisy azy.+ Dia hanan-taranaka sy hihabetsaka+ izy ireo.

  • Jeremia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa “ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanangonako ireo oloko babo, dia ny Israely sy Joda”,+ hoy i Jehovah. “Hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razany izy ireo, ka ho lasany indray ny taniny.”’”+

  • Ezekiela 39:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “‘Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny, rehefa ataoko sesitany any amin’ireo firenena izy ireo ary hampodiko ao amin’ny taniny,+ ka tsy havelako hisy tavela any intsony izy ireo, na iray aza.+

  • Joela 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Fa amin’izany andro sy fotoana izany,+ rehefa hampodiko avy any amin’ny fahababoana ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara