FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 106:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’ireo izy, mba hitsimbinana azy ireo,+

      Ary nanenina izy, satria lehibe tokoa ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+

  • Jeremia 26:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Hihaino ihany angamba izy ireo, ka samy hiala amin’ny lalan-dratsiny.+ Dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy ho valin’ny ratsy nataony.+

  • Joela 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary ny fonareo no rovito,+ fa tsy ny akanjonareo.+ Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo, fa tsara fanahy sy mamindra fo izy,+ sady tsy mora tezitra+ no be hatsaram-panahy feno fitiavana.+ Ary hanenina ny amin’ilay loza kasainy hampiharina izy.+

  • Jona 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary hitan’ilay tena Andriamanitra ny nataon’izy ireo,+ fa niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo.+ Koa nanenenan’Andriamanitra+ ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.+

  • Jona 4:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Jehovah ô! Tsy izao ve ilay efa nolazaiko fony aho tany amin’ny taniko? Koa naleoko tonga dia nandositra nankany Tarsisy.+ Fantatro mantsy fa Andriamanitra tsara fanahy ianao, mamindra fo,+ tsy mora tezitra, sy be hatsaram-panahy feno fitiavana,+ ary manenina ny amin’ny loza kasainao hampiharina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara