FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 17:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 I Jehovah anefa efa nampitandrina+ foana ny Israely+ sy ny Joda,+ tamin’ny alalan’ny mpaminaniny+ rehetra sy ny mpahita+ rehetra, nanao hoe: “Mialà amin’ny lalan-dratsinareo+ ary tandremo ny didiko+ sy ny fitsipiko,+ araka ny lalàna+ rehetra izay nandidiako ny razanareo+ sy nalefako tany aminareo tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko.”+

  • Isaia 1:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Misasà ianareo,+ ary midiova.+ Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo,+ ary aza manao ratsy intsony.+

  • Jeremia 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo, dia hataoko monina eto amin’ity toerana ity foana ianareo.+

  • Jeremia 26:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo,+ ka ankatoavy ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Jehovah ny loza efa nolazainy hamelezana anareo.+

  • Ezekiela 18:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 “‘Sitrako ve ny hahafatesan’ny ratsy fanahy’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘fa tsy ny hialany amin’ny ratsy fanaony mba ho velona izy?’+

  • Asan’ny Apostoly 26:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Koa nankany amin’izay tany Damaskosy+ aho aloha, ary avy eo nankany amin’izay tany Jerosalema+ sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa,+ nitondra ilay hafatra hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara