FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.+

  • Deoteronomia 28:53
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Koa ho latsaka an-katerena ianao sady ho tra-pahoriana, noho ny fangejan’ny fahavalonao anao, ka hohaninao ny aloaky ny kibonao, dia ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy+ izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.

  • Isaia 9:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Hotetehiny ny ao ankavanana nefa ho noana ihany izy, ary hohaniny ny ao ankavia nefa tsy ho voky izy.+ Samy hihinana ny nofon-tsandriny izy ireo,+

  • Fitomaniana 2:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Jehovah ô, jereo ka diniho+ ilay nasianao mafy toy izao.

      Moa ve ireo vehivavy mbola hihinana ihany an’izay aloaky ny kibony, dia ireo zaza salama tsara aterany?+

      Ary hovonoina ao amin’ny toerana masin’i Jehovah ve ny mpisorona sy ny mpaminany?+

  • Fitomaniana 4:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ny tanan’ny vehivavy be fangoraham-po no nahandro ny zanany naterany.+

      Lasa sakafo fampiononana ireny nandritra ny fahalavoan’ny oloko zanakavavy.+

  • Ezekiela 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “‘“Koa hisy ray hihinan-janaka, eo aminao.+ Ary hisy koa zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra didim-pitsarana aminao aho ary haeliko any amin’ny vazan-tany efatra* ny sisa rehetra eo aminao.”’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara