FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 24:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony, dia tonga hanafika an’ilay tanàna i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona.+

  • 2 Mpanjaka 24:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary nentin’ny mpanjakan’i Babylona natao sesitany tany Babylona avokoa ny lehilahy matanjaka mpiady rehetra, dia ny lehilahy mahery fo niisa fito arivo, sy lehilahy arivo mpanao asa tanana sy mpanorina manda fiarovana.+

  • Ezra 5:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Nampahatezitra+ an’Andriamanitry ny lanitra anefa ny razanay, ka natolony+ teo an-tanan’i Nebokadnezara+ Kaldeanina,+ mpanjakan’i Babylona. Dia noravan’i Nebokadnezara ity trano+ ity, ary nataony sesitany tany Babylona ny vahoaka.+

  • Ohabolana 10:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ny zavatra atahoran’ny ratsy fanahy mihitsy no hanjo azy,+ fa ho tanteraka kosa ny fanirian’ny marina.+

  • Jeremia 24:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Nisy fahitana nasehon’i Jehovah tamiko: Aviavy roa harona napetraka teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah. Naseho tamiko izany, taorian’ny nanaovan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda sy ny mpanao asa tanana+ ary ny mpanorina manda fiarovana, rehefa nentiny avy any Jerosalema ho any Babylona izy ireo.+

  • Jeremia 27:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 izay navelan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona rehefa nentiny niala teto Jerosalema i Jekonia+ zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, niaraka tamin’ny olona ambony rehetra teto Joda sy Jerosalema, ka nataony sesitany any Babylona,+

  • Jeremia 29:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tamin’izay dia efa tsy teto Jerosalema intsony i Jekonia+ Mpanjaka sy ny andriambavy+ sy ny tandapa, mbamin’ny andrianan’i Joda sy Jerosalema+ sy ireo mpanao asa tanana ary ireo mpanorina manda fiarovana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara