FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 28:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ireny koa dia diso lalana noho ny divay, ary mirenireny noho ny toaka. Diso lalana ny mpisorona sy ny mpaminany+ noho ny toaka, very hevitra izy ireo vokatry ny divay, ary mirenireny+ vokatry ny toaka. Diso lalana koa izy ireo ao amin’ny fahitana hitany, ary mivembena amin’ny fanapahan-keviny.

  • Jeremia 5:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Maminany lainga ny mpaminany,+ ary manampatra ny fahefany ny mpisorona.+ Dia tian’ny oloko erỳ izany!+ Koa hanao ahoana re ianareo rehefa hifarana izany rehetra izany e?”+

  • Jeremia 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Samy maka tombony tsy ara-drariny na ny madinika indrindra na ny lehibe indrindra.+ Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

  • Jeremia 8:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa homeko ho an’olon-kafa ny vadiny, ary ny sahany ho lasan’olona,+ satria samy maka tombony tsy ara-drariny na ny madinika indrindra na ny lehibe indrindra.+ Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

  • Ezekiela 22:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Miray tetika hikomy ny mpaminany ao aminy.+ Sahala amin’ny liona mierona mamiravira remby izy ireo,+ ka olona* no hohaniny.+ Harena sy zava-tsarobidy no alainy.+ Nihamaro ny mpitondratena ao aminy noho ny nataon’izy ireo.+

  • Zefania 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Sahisahy ratsy ny mpaminaniny, sady mpivadika.+ Nanazimbazimba zava-masina ny mpisorony, sady tsy niraharaha lalàna.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara