FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ohabolana 5:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Fa eo imason’i Jehovah ny lalan’ny olona,+ ary dinihiny avokoa ny lalany rehetra.+

  • Jeremia 16:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa hitan’ny masoko daholo izay ataon’izy ireo. Tsy misy miafina eo anatrehako izy, ary miharihary eo imasoko ny fahadisoany.+

  • Jeremia 23:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 “Sa misy olona afaka miafina ao amin’ny takona ka tsy ho hitako?”,+ hoy i Jehovah.

      “Misy zavatra tsy miharihary eo anatrehako ve any an-danitra sy eny ambonin’ny tany?”,+ hoy i Jehovah.

  • Malakia 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Ary hanatona anareo aho mba hitsara anareo,+ ka ho mailaka hijoro ho vavolombelona+ hiampanga ny mpilalao ody,+ sy ny mpanitsakitsa-bady,+ ny mpianiana lainga,+ ny mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama,+ ny mpanambaka ny mpitondratena+ sy ny kamboty ray,+ mbamin’ireo tsy miraharaha ny zon’ny vahiny monina eo aminareo.+ Tsy matahotra ahy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Hebreo 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo imasony,+ fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara