FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 25:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ mba hisy didim-pitsarana havoaka momba azy.

  • Jeremia 34:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary tsy ho afa-mandositra azy ianao, satria tsy maintsy ho tratra ka hatolotra eo an-tanany.+ Hifanatri-maso amin’ny mpanjakan’i Babylona ianao,+ ary izy hiresaka mivantana aminao. Dia ho any Babylona ianao.’

  • Jeremia 37:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Naniraka olona haka an’i Jeremia i Zedekia Mpanjaka. Ary nentin’ny mpanjaka tao amin’ny toerana miafina tao an-tranony izy,+ ka nanontaniany hoe: “Misy teny avy amin’i Jehovah ve?” Dia hoy i Jeremia: “Misy tokoa!” Hoy koa izy: “Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ianao!”+

  • Jeremia 38:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Fa raha tsy mivoaka ho eny amin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina ity tanàna ity ka hodorany,+ ary tsy ho afa-mandositra azy ireo ianao.’”+

  • Jeremia 39:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nenjehin’ny andia-miaramila kaldeanina anefa izy ireo.+ Koa tratrany tao amin’ilay lemaka karakaina any Jeriko i Zedekia,+ dia nosamboriny ka nentiny niakatra tany amin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ tany Hamata,+ mba hisy didim-pitsarana havoakany momba azy.+

  • Jeremia 52:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona+ tao Ribla,+ tany Hamata,+ mba hisy didim-pitsarana havoakany momba azy.+

  • Ezekiela 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hovelariko hanarona azy ny haratoko, ka ho tratran’ilay fandrika harato+ izy. Ary hoentiko any Babylona, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy,+ nefa tsy hahita an’ilay tany. Any izy no ho faty.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara