FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 6:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ho hitanao ankehitriny izay hataoko amin’i Farao,+ fa noho ny tanako mahery no handefasany azy ireo, ary noho ny tanako mahery no handroahany azy ireo hiala amin’ny tany Ejipta.”+

  • Eksodosy 15:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hatahotra sy hihorohoro izy ireo.+

      Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo, noho ny herin’ny sandrinao,

      Mandra-pandalon’ny olonao+ Jehovah ô,

      Eny, mandra-pandalon’ny+ vahoaka noforoninao.+

  • Deoteronomia 26:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Farany, dia nitondra antsika nivoaka avy tany Ejipta i Jehovah, tamin’ny tanana mahery,+ sy sandry nahinjitra,+ sy zavatra tena nampahatahotra,+ sy famantarana ary fahagagana.+

  • 1 Tantara 17:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary firenena iza eto an-tany no tahaka ny Israely+ olonao, izay navotan’Andriamanitra ho olony?+ Nataon’Andriamanitra izany mba hampahalaza ny anarany. Nanao zavatra miavaka+ sy mampahatahotra koa ianao, ka nandroaka an’ireo firenena+ tsy ho eo anatrehan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta.

  • Salamo 136:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tamin’ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra:+

      Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara