24 Fa teo ambany fifehezany ny faritra rehetra atỳ ampitan’ny Renirano,+ nanomboka tany Tifsa ka hatrany Gaza,+ dia ny mpanjaka rehetra atỳ ampitan’ny Renirano.+ Ary nandry feizay+ ny faritra rehetra nanjakany, na taiza na taiza.
6 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘“Noho ny nikomian’i Gaza+ intelo, eny, inefatra aza, dia tsy hotsoahako ny didim-pitsarako, satria izy nanao sesitany ny babo rehetra+ mba hanolorany azy eo an-tanan’i Edoma.+
5 Hahita izany i Askelona ka hatahotra. Hanaintaina mafy i Gaza. Ary hanaintaina mafy koa i Ekrona,+ satria ho menatra ilay nantenainy.+ Hisy mpanjaka ho faty ao Gaza, ary tsy honenana intsony i Askelona.+