FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga,+

      Na zanak’olombelona ka hanenina.+

      Efa nilaza ve izy ka tsy hanatanteraka,

      Ary efa niteny ka tsy hanefa?+

  • 2 Mpanjaka 23:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Tsy nitony mihitsy anefa ny fahatezeran’i Jehovah, fa mbola nirehitra mafy foana tamin’ny Joda+ noho ny zava-drehetra mahatezitra izay nampahatezeran’i Manase azy.+

  • Isaia 43:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Tsy miova mihitsy Aho+ na rahoviana na rahoviana, ary tsy misy mahavonjy an’izay etỳ an-tanako.+ Hanao zavatra aho,+ ka iza no hahatohitra ny tanako?”+

  • Isaia 46:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 dia Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany,+ sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao,+ Ilay milaza hoe: ‘Tsy hiova ny fikasako,+ ary hataoko izay sitrako rehetra’,+

  • Ezekiela 24:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Izaho Jehovah no miteny,+ ka ho tonga tokoa izany+ ary tena hanao zavatra aho. Tsy hanao tsirambina an’izany aho,+ ary tsy hiantra+ na hanenina.+ Hotsarain’izy ireo araka izay nataonao sy ny zava-dratsy vitanao ianao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara