FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 13:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Tsy honenana intsony izy,+ ary tsy hisy toerana ho azy intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ Tsy hanangana ny tranolainy any ny Arabo, ary tsy hisy mpiandry ondry hampandry ny andian’ondriny any.

  • Isaia 14:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 “Hataoko fonenan’ny sokina izy, ary hataoko kamory anirian’ny bararata. Hofafako amin’ny kifafa fandringanana koa izy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Jeremia 50:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa misy firenena miakatra avy any avaratra mba hamely azy.+ Io no hahatonga ny taniny higagan’ny olona, ka tsy hisy mponina intsony ao.+ Nandositra daholo ny olona sy ny biby fiompy.+ Efa lasa ireny.”+

  • Jeremia 50:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Koa hiara-monina ao ny biby mpirenireny any an-tany efitra sy ny biby minaonaona, ary honina ao koa ny aotirisy.+ Tsy honenana intsony mihitsy izy, ary tsy ho eo intsony, hatramin’ny taranaka fara mandimby.”+

  • Jeremia 51:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Aoka hihovotrovotra sy hanaintaina mafy ny tany,+ satria efa nieritreritra ny hamely an’i Babylona i Jehovah, mba hahatonga azy higagan’ny olona sy tsy hisy mponina.+

  • Jeremia 51:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Ho lasa korontam-bato miavosa+ sy fonenan’ny alikadia i Babylona.+ Higagam-bahoaka sy hampisioka olona izy, ary tsy hisy mponina intsony.+

  • Apokalypsy 18:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 ary tsy hisy fahazavan’ny jiro intsony hamirapiratra ao aminao, ary tsy hisy feon’ny mpampakatra na ny ampakarina ho re ao aminao intsony,+ satria manam-pahefana ambony+ teny ambonin’ny tany ny mpivaro-mandehanao,+ ary voafitaky ny filalaovanao ody+ ny firenena rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara