-
2 Mpanjaka 25:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanaovana sesitany an’i Joiakina+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny andro fahafito amby roapolon’ny volana faharoa ambin’ny folo, tamin’ny taona naha lasa mpanjaka an’i Evila-merodaka+ mpanjakan’i Babylona, dia nahazo sitraka taminy* i Joiakina mpanjakan’ny Joda, ka navoakany+ avy tao am-ponja.
-
-
Jeremia 24:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Nisy fahitana nasehon’i Jehovah tamiko: Aviavy roa harona napetraka teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah. Naseho tamiko izany, taorian’ny nanaovan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda sy ny mpanao asa tanana+ ary ny mpanorina manda fiarovana, rehefa nentiny avy any Jerosalema ho any Babylona izy ireo.+
-