FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 14:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Koa namonjy ny Israely tsy ho azon’ny tanan’ny Ejipsianina i Jehovah tamin’iny andro iny.+ Ary hitan’ny Israely ny fatin’ny Ejipsianina niampatrampatra teny amoron-dranomasina.+

  • Mpitsara 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Hoy anefa i Gideona taminy: “Miala tsiny aminao aho, tompoko, fa raha momba anay i Jehovah, nahoana no mianjady aminay izao zavatra rehetra izao?+ Ary aiza ny zava-mahagaga rehetra nataony+ izay notantarain’ny razanay taminay+ hoe: ‘Tsy avy tany Ejipta ve isika no nentin’i Jehovah niakatra?’+ Fa efa nahafoy anay mihitsy i Jehovah,+ ary efa natolony teo am-pelatanan’ny Midianina izahay.”

  • Isaia 63:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia nahatsiaro ny andro fahiny ny olony sady nahatsiaro an’i Mosesy mpanompony, ka niteny hoe: “Aiza Ilay nitondra azy ireo niakatra avy tany an-dranomasina,+ niaraka tamin’ny mpiandry ny andian’ondriny?+ Aiza Ilay nametraka tao aminy ny fanahiny masina?+

  • Hosea 13:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Izaho anefa no Jehovah Andriamanitrao hatry ny fony ianao tany Ejipta.+ Tsy nahafantatra Andriamanitra afa-tsy izaho ianao, ary tsy nisy mpamonjy afa-tsy izaho.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara