FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 82:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Tsarao araka ny hitsiny ny mahantra sy ny kamboty ray.+

      Omeo rariny ny ory sy ny madinika.+

  • Salamo 94:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Vonoiny ho faty ny mpitondratena sy ny mpivahiny,+

      Aripany koa ny kamboty ray.+

  • Isaia 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Mianara manao ny tsara,+ katsaho ny rariny,+ anaro ny mpampahory,+ omeo rariny ny kamboty ray,+ ary miadia ho an’ny mpitondratena.”+

  • Jeremia 7:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 ary tsy ampijalinareo ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena,+ ary raha tsy mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny ianareo eto amin’ity toerana ity,+ sady tsy manaraka andriamani-kafa ka hahatonga loza aminareo,+

  • Zakaria 7:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Aza manambaka ny mpitondratena+ na ny kamboty ray+ na ny vahiny monina eo aminareo+ na ny ory,+ ary aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo+ hamelezana ny namanareo.’

  • Malakia 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Ary hanatona anareo aho mba hitsara anareo,+ ka ho mailaka hijoro ho vavolombelona+ hiampanga ny mpilalao ody,+ sy ny mpanitsakitsa-bady,+ ny mpianiana lainga,+ ny mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama,+ ny mpanambaka ny mpitondratena+ sy ny kamboty ray,+ mbamin’ireo tsy miraharaha ny zon’ny vahiny monina eo aminareo.+ Tsy matahotra ahy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara