FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tsy mba nanontany akory ny mpisorona hoe: ‘Aiza i Jehovah?’+ Na ireo mpahay lalàna aza tsy nahalala ahy.+ Nandika ny lalàko koa ireo mpiandry.+ Naminany tamin’ny anaran’i Bala ireo mpaminany+ sady nanompo an’izay tsy mahasoa.+

  • Fitomaniana 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Noho ny fahotan’ny mpaminaniny sy ny fahadisoan’ny mpisorony,+

      Dia nisy mpandatsaka ran’olo-marina teo anivony.+

  • Mika 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ny lohandohany eo aminy dia mitsara mba hahazoana tsolotra,+ ny mpisorony kosa mampianatra mba hahazoana karama,+ ary ny mpaminaniny misikidy mba hahazoam-bola.+ Mbola miantehitra amin’i Jehovah ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe: “Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?+ Tsy hisy loza hanjo antsika.”+

  • Zefania 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Sahisahy ratsy ny mpaminaniny, sady mpivadika.+ Nanazimbazimba zava-masina ny mpisorony, sady tsy niraharaha lalàna.+

  • Malakia 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Ianareo kosa anefa niala tamin’ny lala-mahitsy,+ sady nahatonga ny maro ho tafintohina tamin’ny lalàna.+ Nivadika tamin’ny fifanekena natao tamin’i Levy koa ianareo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara