20 “‘Efa hatry ny ela no nopotipotehiko ny zioganao,+ ary notapahiko ny tady nangeja anao. Hoy ihany anefa ianao: “Tsy hanompo anao aho.” Dia nitsilailay eran’ny havoana avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ianao, ka nivaro-tena.+
18 Ho maizina ny andro ao Tapanesa,+ rehefa hotapahiko ao ny ziogan’i Ejipta.+ Koa hataoko mifarana hatreo ilay heriny izay ireharehany.+ Ho voasaron-drahona kosa izy+ ary ho lasa babo ireo tanàna miankina aminy.+