FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 34:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Sao mantsy ianao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany, nefa azo antoka fa hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamaniny izy ireo+ ka hanao sorona ho an’ny andriamaniny,+ dia hisy hanasa anao ka hihinana tokoa amin’ny sorona ataony ianao.+

  • Isaia 57:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 ary manaitra filana eny akaikin’ireo hazobe+ sy eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra,+ sady manao sorona ankizy any amin’ny lohasaha falehan-driaka, eny anelanelan’ny harambato?+

  • Jeremia 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hoy i Jehovah tamiko tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka:+ “‘Hitanao ve izay nataon’ny Israely mpivadika?+ Mandeha eran’ny tendrombohitra avo rehetra izy+ sady mankeny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ mba hivaro-tena.+

  • Jeremia 17:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tadidin’ny taranany ny alitara sy ny tsato-kazo masina nataon’izy ireo teny akaikin’ny hazo midoroboka, teny amin’ny havoana avo,+

  • Ezekiela 16:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “‘Natoky ny hatsaran-tarehinao anefa ianao+ ka nanjary nivaro-tena satria nalaza.+ Nanaram-po nivaro-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao,+ ka nafoinao ho an’ireny ny hatsaran-tarehinao.

  • Hosea 6:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ao amin’ny taranak’Israely no ahitako zava-mahatsiravina.+ Ny fijangajangan’i Efraima no ao,+ ka efa nandoto tena ny Israely.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara