FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 dia hampodin’i Jehovah Andriamanitrao ireo olonao babo,+ ary hiantrany+ ianao ka hangoniny avy any amin’ny firenena rehetra nanaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+

  • Isaia 11:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena izy ka hanangona an’ireo Israelita niparitaka.+ Dia hangoniny avy any amin’ny vazan-tany efatra ny mponin’i Joda izay niely.+

  • Jeremia 16:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa izao kosa no holazaina: “Raha mbola velona koa i Jehovah izay nitondra ny zanak’Israely niakatra avy tany amin’ilay tany any avaratra, sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahany azy!” Eny, hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razany izy ireo.’+

  • Jeremia 23:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko eo amin’ny kijana nisy azy.+ Dia hanan-taranaka sy hihabetsaka+ izy ireo.

  • Amosa 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hampodiko ny Israely oloko izay babo.+ Dia hanorina ny tanàna rava izy ireo ka honina ao.+ Ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara