FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 106:47
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô,+

      Angony avy any amin’ireo firenena izahay+

      Mba hisaoranay ny anaranao masina,+

      Ary mba ho faly hidera anao izahay.+

  • Isaia 11:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Amin’izany andro izany dia hanome tanana indray i Jehovah, eny, hanao izany fanindroany izy,+ mba hanangonany ny olony sisa niangana, avy any Asyria+ sy Ejipta+ sy Patrosa+ sy Kosy+ sy Elama+ sy Sinara+ sy Hamata ary avy any amin’ireo nosin-dranomasina.+

  • Isaia 35:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa hiverina any Ziona amim-pihobiana+ ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo, ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+

  • Jeremia 29:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hataoko izay hahitanareo ahy’,+ hoy i Jehovah, ‘ka hangoniko daholo izay babo eo aminareo ary hovoriko avy any amin’ny firenena rehetra sy ny toerana rehetra nanaparitahako anareo ianareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Dia haveriko any amin’ilay toerana nialanareo ianareo, na dia nalefako sesitany aza.’+

  • Jeremia 31:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Hoentiko avy any amin’ilay tany any avaratra izy ireo,+ ka hangoniko avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+ Ho eo daholo na ny jamba na ny malemy tongotra na ny vehivavy bevohoka na ny efa mihetsi-jaza.+ Fiangonana lehibe izy ireo rehefa hiverina eto.+

  • Zakaria 10:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Hisioka+ hiantso azy ireo aho, ka hanangona azy. Fa havotako+ tokoa izy ireo, ka ho maro be toy ireo vahoaka nanjary maro be.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara