FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 14:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia avelako hikiribiby amin’ny heviny i Farao+ ka tsy maintsy hanenjika an’ireo izy. Koa hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny tafiny rehetra.+ Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.”+ Dia nataon’ny zanak’Israely izany.

  • Isaia 37:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,+ vonjeo eo an-tanany izahay,+ mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”+

  • Ezekiela 36:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 ‘Hohamasiniko ny anarako+ be voninahitra, izay nozimbazimbaina tany amin’ireo firenena, ary nozimbazimbainareo koa teo amin’ireny. Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘rehefa hamasinina eo aminareo aho, eo imason’ireny.+

  • Ezekiela 38:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hiakatra hanafika ny Israely oloko tokoa ianao, toy ny rahona mandrakotra ny tany.+ Any am-parany any no hitrangan’izany. Ary hoentiko hamely ny taniko ianao+ mba hahafantaran’ireo firenena ahy, rehefa hanamasina ny tenako amin’ny alalanao aho, ry Goga, eo imason’izy ireo.”’+

  • Malakia 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Ho be voninahitra ny anarako eo amin’ireo firenena, hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.+ Ary any amin’ny toerana rehetra no hanolorana setroka ho sorona+ sy hanaovana fanatitra ho an’ny anarako, dia fanomezana madio,+ satria ho be voninahitra eo amin’ireo firenena ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara