FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 14:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia avelako hikiribiby amin’ny heviny i Farao+ ka tsy maintsy hanenjika an’ireo izy. Koa hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny tafiny rehetra.+ Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.”+ Dia nataon’ny zanak’Israely izany.

  • 2 Mpanjaka 19:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,+ vonjeo eo an-tanany izahay,+ mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”+

  • Salamo 83:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Mba ho fantatry+ ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah,+

      No Avo Indrindra+ ambonin’ny tany manontolo!+

  • Salamo 148:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hasandrany ny tandroky* ny olony+

      Ary hasandrany koa ny fideran’izay rehetra tsy mivadika aminy,+

      Dia ny zanak’Israely, izay firenena akaiky azy.+

      Miderà an’i Jah!+

  • Ezekiela 36:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 ‘Hohamasiniko ny anarako+ be voninahitra, izay nozimbazimbaina tany amin’ireo firenena, ary nozimbazimbainareo koa teo amin’ireny. Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘rehefa hamasinina eo aminareo aho, eo imason’ireny.+

  • Ezekiela 39:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “‘Hasehoko amin’ireo firenena ny voninahitro, ka ho hitan’ny firenena rehetra ny hampiharako ny didim-pitsarako+ sy ny hampiasako ny tanako mba hamelezana azy ireo.+

  • Matio 6:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Koa mivavaha toy izao ianareo:+

      “‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina+ anie ny anaranao!+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara