-
Jeremia 30:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Fa aza matahotra kosa ianao, ry Jakoba mpanompoko ô”, hoy i Jehovah, “ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+ Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+ Dia hiverina tokoa i Jakoba, ka tsy hisy hanakorontana fa handry feizay, ary tsy hisy hampangovitra azy.”+
-
-
Ezekiela 14:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Hisy sisa tavela ihany anefa, dia ireo olona sisa niangana, eny, ireo entina mivoaka avy ao.+ Zanakalahy sy zanakavavy ireo! Hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny fanaony sy ny zavatra nataony.+ Koa hahazo fampiononana ianareo na dia hoentiko hamely an’i Jerosalema aza ny loza, dia izay rehetra hamelezako azy.’”
-