31 Fa Andriamanitra mamindra fo i Jehovah Andriamanitrao,+ ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino ny fifanekena+ nianianany tamin’ny razanao.
13 Mbola hisy ampahafolony ihany anefa ho tavela ao,+ ary hatsipy ao anaty afo indray izany, toy ny hazobe sy hazo goavam-be, izay mbola misy fototra+ ihany rehefa kapaina.+ Ary ho taranaka masina ilay fotony.”+
20 Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra intsony amin’ilay namely azy+ ny sisa tavela amin’i Israely,+ sy ny sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba. Fa i Jehovah Ilay Masin’ny Israely+ kosa no tena hianteheran’izy ireo.+
7 “Eo anivon’ny firenena maro, dia ho toy ny ando avy amin’i Jehovah+ sy ho toy ny oram-be mirotsaka eny amin’ny zavamaniry,+ ny sisa amin’i Jakoba.+ Tsy manantena olona na miandry ny zanak’olombelona ireny.+