FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 20:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.+

  • Deoteronomia 32:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nanao izay hahasaro-piaro+ Azy izy ireo noho ireo andriamani-kafa+ nivavahan’izy ireo,

      Sady tsy nitsahatra nampahatezitra Azy noho ireo zava-maharikoriko.+

  • Josoa 24:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: “Tsy ho vitanareo ny hanompo an’i Jehovah, fa Andriamanitra masina izy,+ sady mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+ Koa tsy hamela heloka anareo izy raha mikomy sy manota ianareo.+

  • Salamo 78:58
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 58 Nampahatezitra azy foana izy ireo noho ny toerana avo naoriny,+

      Ary nanao izay hahasaro-piaro azy noho ny sary sokitra nivavahany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara