FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary hoy i Elisa tamin’ny mpanjakan’ny Israely: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa?+ Mandehana any amin’ny mpaminanin-drainao+ sy ny mpaminanin-dreninao.” Hoy anefa ny mpanjakan’ny Israely: “Aza miteny an’izany, fa ny hanolotra anay eo an-tanan’i Moaba no niantsoan’i Jehovah anay mpanjaka telo ireto.”+

  • Isaia 1:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Rehefa mamelatra ny tananareo+ ianareo, dia tampenako tsy hijery anareo ny masoko.+ Na manao vavaka maro+ aza ianareo, dia tsy hihaino aho,+ fa feno ran’olona ny tananareo.+

  • Jeremia 11:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza amin’izy ireo aho,+ ka tsy ho tafavoaka amin’izany izy.+ Ary hiantso vonjy amiko tokoa izy ireo, nefa tsy hihaino azy aho.+

  • Zakaria 7:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “‘Koa satria niantso aho nefa tsy nihaino izy ireo,+ dia tsy hihaino koa aho rehefa hiantso izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara